FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9349)

O Ianao, Izay ny fitsapàna dia fanafody mahasitrana ho an’ireo izay eo akaikinao, ny sabatra dia faniriana mivaivay ho an’izay rehetra tia Anao, ny lefompohy dia fikasana mamy tokoa ho an’ny fo mikaroka fatratra Anao, ary ny didim-pifehezana no hany fanantenan’ireo izay nanaiky ny fahamarinanao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Hatsaranao lavorary sy ny famirapiratry ny voninahitrin’ny Endrikao, mba hampitosaka aminay, avy amin’ny fitoeranao ambony, izay hahatonga anay hanatona Anao. Atanjaho, noho izany, ny dianay, ry Andriamanitro ô, ao amin’ny Fototrao, ary hazavao ny fonay amin’ny taratry ny Fahalalanao ary ampireheto ny tratranay amin’ny famirapiratan’ny Anaranao.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9350)

Voninahitra ho Anao, ry Andriamanitro ô! Raha tsy ny fijaliana izay iaretany eo amin’ny lalanao, amin’ny fomba ahoana no ahazoana mahafantatra ny tena tia  Anao; ary raha tsy ny fizahan-toetra nozakaina noho ny fitiavana Anao, ahoana no ahazoana maneho ny laharan’ireo izay maniry fatratra Anao? Ny Herinao no vavolombelona amin’izany! Ny mpiara-dalana amin’ireo rehetra izay mitsaoka Anao dia ny ranomaso izay arotsany, ary ny mpampionona ireo izay mitady Anao dia ny fitolokoany ary ny sakafon’ireo izay dodona amin’ny fihaonana Aminao dia ny singan’ny fony torotoro.
Toa inona ny hamamin’ny ngidin’ny fahafatesana nozakaina tamin’ny lalanao ary toa inona ny hasarobidy eo imasoko ny zanatsipikan’ ny fahavalonao, raha mifanojo noho ny fanandratana ny Teninao! Avelao aho hisotro ao amin’ny Fototrao, ry Andriamanitro ô, amin’izay rehetra sitrakao ho ahy ary arotsahy amiko amin’ny fitiavanao izay rehetra nodidianao. Noho ny Voninahitrao! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy mankamamy afa-tsy izay ankamaminao. Aminao no nametrahako, amin’ny fotoana rehetra, ny tokiko sy ny fanantenako manontolo.
Mitalaho Aminao aho, ry Andriamanitro ô, atsangano ho toy ny mpanohana ity Fanambarana ity, toy ireo izay isaina ho mendrika ny Anaranao sy ny Fiandriananao, mba hotsaroan’izy ireo ho toy ny Voaharinao aho ary hanangana ny Sainam-pandresenao ao amin’ny Fanjakanao. 
Ianao Ilay Manam-pahefana hanao izay sitrakao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9351)

Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro! Aza manalavitra ahy, satria ny fahoriana dia nihavosa manodidina ahy. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro! Aza mamela ahy ho an’ny tenako ihany, satria ny fahoriana dia nianjady tamiko. Amin’ny ronono madion’ny Halemem-panahinao feno fitiavana, afaho ny hetahetako satria ny hetaheta dia mandevona ahy tanteraka. Eo amin’ny alokin’ny elatry ny Famindraponao, alofy aho satria ny fahavaloko rehetra,  niara niombon-kevitra, dia namely ahy. Tehirizo eo akaikin’ny fanjakan’ny Fiandriananao aho, manoloana ny fanehoana ny marikin’ny Voninahitrao, satria ny loza dia nahatratra ahy tanteraka. Amin’ny voankazo ny Hazon’ny Mandrakizainao, fahano aho satria ny faharerahana mafy dia nahazo ahy. Amin’ny kapoakan’ny fifaliana atolotry ny tanan’ny Famindramponao be fitiavana, ampaherezo aho satria alahelo maro no nitambesatra mafy tamiko. Amin’ny akanjo voaravaky ny Fiandriananao mahery indrindra ampiakanjoy aho satria ny fahantrana dia nambabo ahy tanteraka. Rotsirotsian’ny fitolokon’ny Voromailalan’ny Mandrakizanao, avelao aho hiala sasatra satria ny fijaliana farany izay manjombona dia tonga tamiko. Manoloana ny fanjakan’ny maha-iray Anao sy ny taratry ny hatsaran’ny Endrikao, aoka honenako satria ny tahotra sy ny hovitra dia nandevona ahy. Ao amin’ny ranomasimben’ny Famelanao heloka, eo anoloan’ny fitopatopa tsy misy faran’ny fahalehibiazan’ny Voninahitrao, arobohy ao aho satria ny fahotako dia nanameloka ahy tanteraka.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9352)

Ankalazaina sy omem-boninahitra Ianao, ry Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny senton’ireo izay tia Anao sy ny ranomason’ireo izay maniry fatratra hijery Anao, tsy handà ho ahy ny Famindramponao feno fitiavana amin’izao Andronao izao ary tsy handiso anjara ahy amin’ny kalon’ny voromailala izay manandratra ny maha-iray Anao eo anoloan’ny fahazavan’ny Endrikao mamirapiratra. Izaho no iray amin’ireo ao anaty fahantrana, ry Andriamanitra ô! Jereo aho mifikitra mafy amin’ny Anaranao, Ilay Manana ny zavatra rehetra.  Izaho ilay iray amin’ireo izay ho faty marina tokoa; jereo aho mamikitra amin’ny Anaranao, Ilay tsy mety maty. Koa noho izany, mitalaho Aminao aho, noho Ianao Ilay Ankalazaina, Ilay Tena Avo, mba tsy hamela ahy hitodika any amin’ny tenako ihany sy any amin’ireo fitsiriritana mirona amin’ny ratsy. Raiso amin’ny Tananao mahery  ny tanako, ary afaho aho avy ao amin’ny  halalin’ny hevitro diso sy ny fisainam-poanako, ary diovy aho amin’izay rehetra ankahalainao.
Ataovy izay hitodihako tanteraka any Aminao, hametrahako Aminao ny fitokisako rehetra, hitadiavako Anao ho toy ny Fialofako ary handosirako ho eo anoloan’ny Endrikao. Ianao, marina tokoa, Ilay izay noho ny fahefan’ny Heriny, dia manao izay Irinao, ary noho ny herin’ny Sitrapony, dia mandidy izay Fidiany. Tsy misy afaka hanohitra ny fiasan’ny Didinao; tsy misy afaka hanodina ny fizotra ny Tendrinao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery indrindra, Ilay be voninahitra, Ilay onena olona.

-Bahá'u'lláh
-----------------------

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9310)

Iza, afa-tsy Andriamanitra, no manaisotra ny fahasahiranana?
Lazao: Deraina anie Andriamanitra! Izy no Andriamanitra! Mpanompony avokoa ny rehetra ary miankina amin’ny didiny ny rehetra.

-The Báb
-----------------------

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9311)

Lazao: Andriamanitra no sahaza amin’ny zavatra rehetra, ambonin’ny zavatra rehetra. Tsy misy na any an-danitra na ety an-tany, afa-tsy Andriamanitra no manana ny ampy.
Marina tokoa, Izy amin’ny Tenany ihany Ilay Mahalala, Ilay Mpanohana, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

-The Báb
-----------------------

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA (#9312)

Amin’ny anaran’ny Tompo, Ilay Mpandresy amin’ny mpandresy dia manambara fa: Andriamanitra dia hanampy ireo izay mitsangana hanompo Azy.
Tsy misy afaka manala aminy ny fanjakany, ny fiandrianany, satria any an-danitra sy ety an-tany ary ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra rehetra, Izy no Mpandresy sy Mpambabo.

-The Báb
-----------------------

